07/09/2026
🔴🟥 TSIROANOMANDIDY RENIVOHITRA : RAIM-PIANAKAVIANA IRAY NISY NAMONO.
‼️ Mandriaka ny ra tao amin’ny Agri-Shop iray, eo ampitan’ny PMU BET Tsiroanomandidy, taorian’ny nahitana raim-pianakaviana iray, izay fantatry ny manodidina amin’ny anarana hoe Pastera, efa tsy nisy aina intsony.
Araka ny fitantaran’ireo zanany roa vavy, dia niantso azy ireo tamin’ny 6 ora sy sasany hariva ilay Rainy ary mbola niresaka tsara. Rehefa tonga tao an-trano anefa izy ireo, dia nahatsikaritra fa nisokatra ny vavahady, izay voalaza fa matetika mihidy.
Niditra izy ireo ka nahita ilay raim-pianakaviana nitsirara nihohoka teo an-tokotany, ary voalaza fa naratra mafy teo amin’ny lohany sady nisy rà nivoaka tamin’ny sofiny.
Voalaza fa nisy vola tsy hita tao an-trano..
Efa tonga teny an-toerana ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana, ary nanao fanadihadiana ihany koa ireo mpitandro filaminana.
Nentina any amin’ny CHRR Tsiroanomandidy ny razana.
Tombanana ho teo anelanelan’ny taminy 6 ora sy sasany sy taminy 7 ora hariva no nitrangan’ny loza.
Nilaza ireo manodidina fa tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa , fa ny kiakiaka sy fitomanian’ireo zanany vavy no nahataitra ny manodidina.
📹/✍️ Myelo Haingo Herivahy Tantely /
Skispass Atm