24/06/2026
Raikitra ny resaka sy ny fandefasana sary ato amin'ny groupe de discussion anay "fianakams" ✨
Cousin: sarin'ny birao fiasany
Cousine: sarin'ny devoir an-janany, "tena mahay ry ireto ilay zanako a"
Nenitoa: sary laokany tamin'ny paka, "recette de grand-mère ry ireto an"
Izaho: manoratra aho—dia fafako—mamerina manoratra indray—dia fafako ihany.
Farany moa dia nasiako 👍 kely ilay sary nalefan'i nenitoa.
Saika ity sary ity no nalefako tao saingy efa azokazoko sahady ny fanontaniana ho azoko. 😛
Modèle : Tovoniaina Tsiresy Michélà
Studio : axis.photo
Photo: Matoantsary