14/01/2024
❌‼️ RAHARAHA TANY ANTSAMBALAHY PORT-BERGE 13 JANOARY 2024‼️❌
❌ Manaloana ny fisian'ny vaovao tamin'ny Fahitalavitra sy Facebook momba ny fokontany Antsambalahy Commune Rurale Tsarahasina Distrikan'i Port-Bergé izay nilaza ho misy korontana dia namory fokonolona ny solontem-panjakana.
❌ Nambara nandritra ny fivoariam-pokonolona teo Bazary no nilazan'izy ireo fa lainga ny filazana fa tsy milamina ny tanànan'i Antsambalahy. Hatreto dia mbola milamina ny tanàna.
❌ Samy naneho ny tsy fankasitrahana ny famarotana tany amin'ny teratany vahiny avokoa ireo vahoaka. Miantso ny Filoha Andry Rajoelina handray andraikitra amin'izany.
❌ Velaran-tany 1200 Ha iveloman'ny mponina iray alina mahery no kasain'olom-bitsy hamidy io. Malahelo ireo tantsaha.
❌ Tany izay efa an'ireo Ray aman-dReniny talohan'ny fanjanahantany. Nalain'ny vazaha ankeriny nandritra ny fanjanahantany. Niverina niasa tamin'io tany io ireo taranany taty aorian'ny fanjanahantany.
❌ Amin'izao fotoana izao dia tadiavin'ireo tsy mataho-tody ho esorina amin'ny tany ivelomany ireo vahoaka tompon'ny tany sy miasa eo ka averina indray amin'ny orinasa vahiny.
❌ "Na ho faty na ho velona dia taninay tsy omenay"
(📷MNL)