12/10/2022
📸 Hafa ihany ny tena mpakasary 📸
Maro isika no mihevitra hoe aleo tsy maka mpakasary fa ilay tonton iray kay manana fakasary "PRO", dia aleo izy no hakasary ny mariagen'i Bozy.
Tsy ny fananana fakasary "PRO" no hahatsara ny sary fa ny fahaizana makasary.
Ny mahatsara ny sary dia
1- ny cadrage : mamaritra ny limite ambony, ambany, ankavia sy ankavanana. Zavatra basique be nefa important, tsy ny fakasary no mi-cadre fa i Tonton
2- ny composition : hoe inona avy no atao anaty cadre ary inona no tsy atao ao, aiza no mitodika, inona ny longueur focale ampiasaina, etc. Tsy ny fakasary no manao composition fa i Tonton
3- ny emotion / expression / tantara : miteny koakoa ny sary rehefa misy zavatra mampihaina azy, na io misy expression na emotion na koa milaza zavatra na tantara. Izany koa dia tsy ny fakasary no manao azy fa i Tonton
4- ny exposition : raha automatique ny mode d'exposition dia mba mi-souffle kely i Tonton. Kanefa na izany na tsy izany dia tsy voatery hitovy ny mesure d'exposition selon ny contexte. Ohatra hoe raha anaty salle ambiance maizina, misy jeu de lumière tsara, ka ataonao mesure matricielle, dia everin'ilay fakasary fa maizina dia ho ampiakariny ny exposition, nefa ilay ambiance mihitsy no maizimaizina, etc etc
Sa ve afaka mitondra vilany sy fatana koa i tantine dia asaina manao traiteur? Na koa omena guitare i cousin dia i cousine mihira dia milamina ny orchestre?
Ianao ihany dia mahavaly azy
Tsetsatsetsa tsy aritra kely fotsiny io fa mba te hanome lanja ny asan'ireo namako maro be izay mpakasary (sy traiteur sy orchestre sy décorateur sy mpanao volo, sns sns) no nanaovako ity publication ity.