Projet Sanbonai SANOI

Projet Sanbonai SANOI Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle auprès de la région BONgolava, Analamanga et Itasy

Les Organisations Paysannes et les communautés rurales se mobilisent ensemble pour promouvoir une agriculture responsable, résiliente et contribuant à la Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle des régions BONgolava, Analamanga, et Itasy

08/03/2025

Mirary soa ho antsika vehivavy rehetra misehatra eo amin'ny sehatry ny famokarana ho antoky ny fanjarian-tsakafon'ny ankohonana !

07/03/2025

Odette, une agricultrice leader de son organisation paysanne à Antanamanjary -Ambilobe, a diversifié et amélioré ses revenus grâce à la pisciculture.

Odette, Tantsaha mpitarika ao amin’ny Fikambanany no nampitombo sy nanatsara ny fidiram-bola noho ny fiompiana trondro




Ny fidinana ifotony hijerevana ny fahatanterahan’ireo asa nataon’ny tetikasa Sanbonai ao anatin’ny Programme Sanoi dia n...
12/02/2025

Ny fidinana ifotony hijerevana ny fahatanterahan’ireo asa nataon’ny tetikasa Sanbonai ao anatin’ny Programme Sanoi dia notanterahina ny 09 sy 10 Febroary lasa teo. Toerana roa no nojerena dia tao anivon'ny kaominina Ampary (district Miarinarivo, Faritra Itasy), sy kaominina Ambararatabe (district Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava) Nandritra izany dia nivoitra ireo teboka stratejika lehibe nosahanin'ny tetikasa. Anisan’izany:

Fanapariahana ny teknika agroekolojika,

Famokarana masomboly voafantina,

Fanohanana mivantana ny tanora amin’ny tetikasany manokana,

Fanohanana ireo vehivavy marefo eny anivon’ny Toby, niaraka amin’ny Agents communautaires.

Ity fidinana ifotony ity dia notronin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa, toa an’i Sekretera Jeneralin'ny Commission de I'Océan Indien, ireo mpikambana ao amin’ny Komity Fanaraha-maso sy Fanoroana (CSO, solontenam-pirenena avy amin’ny Nosy La Réunion, Comores, Maurice…), ny mpiara-manatanteraka ny tetikasa (Afdi, Réseau Soa, Anae), ireo manam-pahefana eo an-toerana (governora, solombavambahoaka, lehiben’ny distrika, DRAE, tompon’andraikitra ao amin’ny MAE, Ben’ny Tanàna…). Teo ihany koa ireo mpahazo tombontsoa izay ahitana ny KMT (Komity Miaro ny Tontolo Iainana), FL (Formateurs locaux), PR (Paysans Relais), OP Apdip, sy ireo rafitra hafa voakasiky ny tetikasa.

Mifarana amin’ity volana Febroary ity ny tetikasa Sanbonai, rehefa naharitra 36 volana. Irariana mba hipaka amin’ireo nahazo tombontsoa ny vokatry ny tetikasa ary hitondra fivoarana sy fandrosoana maharitra ho azy ireo.

Ny 06 Febroary 2025 no notanterahina tao amin’ny La Résidence Ankerana ny lanonana famaranana ny tetik’asa SANBONAI. Tam...
12/02/2025

Ny 06 Febroary 2025 no notanterahina tao amin’ny La Résidence Ankerana ny lanonana famaranana ny tetik’asa SANBONAI. Tamin’ity fotoana manan-danja ity dia nifamotoana ireo mpiara-miombon’antoka, solontenam-panjakana, fikambanana tsy miankina ary ireo mpisitraka mivantana ny tetik’asa.
Nandray anjara tamin’ny fandraisam-pitenenana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay namelabelatra ny fiantraikan’ny tetik’asa tamin’ny sehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena. Navoitra tamin’io fotoana io ny vokatra azon’ny tetik’asa SANBONAI nandritra ny fe-potoana niasany. Naseho ihany koa ireo fahombiazan’ny tetik’asa tamin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa teny ifotony.
Nohamafisina nandritry ny fifampizarana natao fa samy hiezaka hanohy sy hanatsara ny efa vita ireo ratsamangaika rehetra, fa tsy hijanona amin’ity famaranana ny tetik’asa ity izany ezaka izany . Nofaranana tamin’ny fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra ary fisakafoana iraisana ny fotoana.
Ny ekipan’ny tetik’asa SANBONAI dia maneho fisaorana feno ho an’ny rehetra izay nandray anjara sy niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana sy fampahombiazana ity tetik’asa ity.

Misaotra ny Gazette Taratra ihany koa nizara
11/02/2025

Misaotra ny Gazette Taratra ihany koa nizara

Notontosaina ny 26 octobre 2024 teo anivon'ny renivohitry ny Faritra Analamanga ny fankalazana lehibe mikasika ny Andro ...
26/10/2024

Notontosaina ny 26 octobre 2024 teo anivon'ny renivohitry ny Faritra Analamanga ny fankalazana lehibe mikasika ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tantsaha sy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Sakafo. Tonga nankalaza izany ireo Vondrona tantsaha mpiray ombonantoka amin'ny tetikasa Sanbonai (OP FISOI sy ny OP Soamitsinjo) avy ao Mahitsy sy Antanetibe Mahazaza izay samy mpikambana eo anivon'ny Réseau Soa. Tamin'ny alalan'ny fandraisana anjara tamin'ny Diabe fampirantiana sy fanentanana mikasika ny fihinanana sy famokarana vokatra agroékoljia, sy ny fampirantiana ireo vokatra agroekolojia vokarin'ireo vehivavy mpikambana no nentin'izy ireo nankalaza izany.
Nanome voninahitra ny fotoana moa Ramatoa Secrétariam-panjakana mikasika ny "souveraineté alimentaire" sy ny Représentant résidant eo anivon'ny FAO. Tranoheva maro nampirantiana ny traikefa sy ny andraikitra raisin'ny mpisehatra maro mikasika ny fampiroboroboana ny agroekolojika sy ny biolojika no naranty ary anisan'izany ny an'ireo vondrona tantsaha Fisoi sy Soamintsinjo, nentina nampahafantarana ny ezaka ataon'ireo vehivavy mpamokatra legioma agroékoljika sy paikady entin'izy ireo manentana ny mpanjifa ny vokatra.

Nialohavan'ny fitsidihana ifotony sy nitafatafana tamin'ireo mpamokatra masomboly dia nanatontosa Atrikasa lehibe iray m...
26/10/2024

Nialohavan'ny fitsidihana ifotony sy nitafatafana tamin'ireo mpamokatra masomboly dia nanatontosa Atrikasa lehibe iray mikasika ny "masomboly" ny Réseau Soa ny 22 - 23 oktobra 2024 ka nandalinana sy namakafakana lohahevi-dehibe telo manan-danja izay samy tafiditra ho laharam-pahamehana ao anatin'ny Paikady ho an'ny fampiroboroboana sy fanatsarana ny manodidina ny sehatry ny masomboly eto Madagascar na ny Stratégie Nationale pour le Développement de la filière semences à Madagascar (SNDS) dia ny :
_ Banky atokana ho an'ny masomboly (Banque de semence)
_ Fiantohana aram-pambolena (Assurance Agricole)
_ Fikarohana (Recherche Agricole)

Mpisehatra maro izay voakasiky ny sehatry ny masomboly no tonga namaly ny antso ary nitondra ny anjara birikiny tamin'ny fanoloran-kevitra sy ny fizarana ny traikefa nananany tsirairay avy. Teo ireo voakasiky ny resaka fikarohana : Fofifa Food Sec Semence, Cirad....Ireo avy eo anivon'ny MInistera : SOC manao ny fitsirihana sy ny fanamarinana, ny misehatra amin'ny resaka fiantohana : Assurance ARO, ireo mpanao tantsoroka maro izay sady mpiray ombonantoka amin'ny Réseau Soa no mitondra fanohanana amin'ny resaka masomboly ihany koa : AFD, UE (DUEM, SANOI), Afdi (France sy Madagascar), FAO, GIZ, JiCA, Papriz, FO4ACP, FO4FS, ireo vondrona tantsaha mpikambana eo anivon'ny Réseau Soa izay misehatra manokana amin'ny masomboly, ny Vondrona Fifata, ary ny Vovonana F3M sy ny mpikambana ao aminy, izay ivondronan'ny mpisehatra rehetra mikasika ny masomboly, ireo tomponandraikitra eo anivon'ny Réseau Soa. Fa nanotrona sy nitondra ny traikefany amin'ny maha mpiray ombonantoka amin'ny Afdi France azy ka nitondrany ny traikefany lehibe koa Ramatoa Clement-Nissou izay Responsable réglementaire avy ao amin'ny SEMAE France.
Ny Tanjon'ny atrikasa moa dia ny fifampizarana mikasika ny Paikady nasionaly mikasika ny masomboly, ny fandalinana ny manodidina ny traikefan'i Madagasikara sy ifampizarana ireo traikefa frantsay mikasika ireo lohahevitra telo voatanisa ary ny farany dia ny hamaritana ny toerana misy sy ny andraikitra ho raisin'ny vondron'ny mpamokatra, sy ny Réseau Soa ary ny F3M ao anatin'ny fanantanterahana ny drafitrasa miompana amin'io paikady nasionaly io. Raha aravona ny fehin-kevitra noraisina dia :
_ azo atomboka eny ifotony sy eo anivon'ny Faritra ny banque de semences hahafahana mitahiry ireo karazana masomboly, sy koa hiatrehana ny tsy fisiana masomboly nohon'ny mety ho loza
_ Afaka apetraka ihany koa ny "caisse de péréquation" izay caisse ifampiatohana hitsinjovana ny loza mety hiseho ka mba hahafahan'ny mpamokatra manohy indray ny asa famokarana,
_ Tsara koa ny mametraka Fonds d'indemnisation des producteurs izay apetraky ny F3M
_ fanetsehana ny Fanjakana foibe miohatra amin'ny sonia nifanaovana tamin'ny IFC izay mpikambana eo anivon'ny banque iraisam-pirenena
_ Fametrahan'ny fanjakana ny Fonds de solidarité nationale
_Fanamafisana ny rafitra sy ny fifandaminana mikasika ny fikarohana
_....sy ny maro samihafa

Atrikasa iray izay nahitana vokatra tokoa noho izany iny atrikasa iny

Ny Tetikasa Sanbonai moa dia nitondra ny anjara biriky tamin'ny alalan'ny fampandraisana anjara ireo mpamokatra sy vondrona mpamokatra masomboly mpiara-miasa aminy.

Miarahaba sy mirary fahombiazana amin'ny adidy masina rehetra hiantsorohana ho an-dRamatoa Filohan'ny Tranoben'ny Tantsa...
31/08/2024

Miarahaba sy mirary fahombiazana amin'ny adidy masina rehetra hiantsorohana ho an-dRamatoa Filohan'ny Tranoben'ny Tantsaha amin'izao naha voafidy azy izao indray ! Mahaleova Mahalasana Tompoko !

🔴Angeline Razafimbololona, productrice agricole; a été réélue Présidente du Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Malagasy pour un nouveau mandat de 5 ans. Elle entend renforcer la collaboration du TTMM avec le ministère de l'Agriculture et de l'Elevage et les différents acteurs du développement rural en vue de relever les défis pour l'atteinte de l'autosuffisance alimentaire.

🔹A noter que le Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Malagasy travaille pour défendre les intérêts des paysans producteurs. Il assure également la représentation, et la participation des producteurs et des entités membres à l’élaboration et au suivi de la mise en œuvre des politiques sectorielles et locales et des actions de développement rural.

🚀 Rejoignez notre chaîne WhatsApp : https://bit.ly/3Ua8fMQ
Toute l'actualité de Madagascar sur https://actu.orange.mg/depeches

Miarahaba sy mirary ny fahombiazana rehetra ho an-dRamatoa Filohan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra amin'izao naha voa...
31/08/2024

Miarahaba sy mirary ny fahombiazana rehetra ho an-dRamatoa Filohan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra amin'izao naha voafidy azy izao indray. Arahabaina indrindra Tompoko !

🔴Angeline Razafimbololona, productrice agricole; a été réélue Présidente du Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Malagasy pour un nouveau mandat de 5 ans. Elle entend renforcer la collaboration du TTMM avec le ministère de l'Agriculture et de l'Elevage et les différents acteurs du développement rural en vue de relever les défis pour l'atteinte de l'autosuffisance alimentaire.

🔹A noter que le Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Malagasy travaille pour défendre les intérêts des paysans producteurs. Il assure également la représentation, et la participation des producteurs et des entités membres à l’élaboration et au suivi de la mise en œuvre des politiques sectorielles et locales et des actions de développement rural.

🚀 Rejoignez notre chaîne WhatsApp : https://bit.ly/3Ua8fMQ
Toute l'actualité de Madagascar sur https://actu.orange.mg/depeches

26/08/2024

𝗡𝘆 𝗦𝘁𝗿𝗮𝘁𝗲𝗷𝗶𝗮 𝗡𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝘆 𝗵𝗼 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻𝗮 𝗩𝗮𝗿𝘆 (𝗦𝗡𝗗𝗥 𝟯) 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗶𝗸𝗲𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗮𝗿𝘆 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘁𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝘁𝗼𝘆 𝗻𝘆 𝗣𝗮𝗽𝗿𝗶𝘇 𝟯 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗝𝗶𝗰𝗮.

⭕Madagasikara dia miomana amin'ny fiovàna lehibe eo amin'ny sehatry ny fambolena amin'ny tanjona hanondranana vary eny amin'ny tsena iraisam-pirenena amin'ny taona 2027. Amin'izao fotoana izao, ny firenena dia mifantoka amin'ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay takiana mialoha mba hanatanterahana io stratejia fanondranana io.

⭕Tsiahivina fa vina napetrak’i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary tafiditra ao anatin'izany ny hanondranana vokatra any ivelany, indrindra ny vary. Betsaka ny fandaharanasa izay mikendry ny fanatsarana ny fambolena, toy ny fanampiana ara-teknika, zezika, masomboly, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Eo ihany koa ny fikarohana eto an-toerana iarahana amin’ny Fofifa sy ny firenena hafa mpiara-miombon’antoka, toa ny Japoney amin’ny alalan’ny fandaharanasa Papriz sy ny Sinoa, izay mifantoka amin’ny fampiasana masomboly vary safiotra.

Ifampizarana ho fampahafantarana ny Paikadim-pirenena rehetra Mirary fahombiazana daholo
26/08/2024

Ifampizarana ho fampahafantarana ny Paikadim-pirenena rehetra
Mirary fahombiazana daholo

𝗡𝘆 𝗦𝘁𝗿𝗮𝘁𝗲𝗷𝗶𝗮 𝗡𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝘆 𝗵𝗼 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻𝗮 𝗩𝗮𝗿𝘆 (𝗦𝗡𝗗𝗥 𝟯) 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗶𝗸𝗲𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗮𝗿𝘆 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘁𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝘁𝗼𝘆 𝗻𝘆 𝗣𝗮𝗽𝗿𝗶𝘇 𝟯 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗝𝗶𝗰𝗮.

⭕Madagasikara dia miomana amin'ny fiovàna lehibe eo amin'ny sehatry ny fambolena amin'ny tanjona hanondranana vary eny amin'ny tsena iraisam-pirenena amin'ny taona 2027. Amin'izao fotoana izao, ny firenena dia mifantoka amin'ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay takiana mialoha mba hanatanterahana io stratejia fanondranana io.

⭕Tsiahivina fa vina napetrak’i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary tafiditra ao anatin'izany ny hanondranana vokatra any ivelany, indrindra ny vary. Betsaka ny fandaharanasa izay mikendry ny fanatsarana ny fambolena, toy ny fanampiana ara-teknika, zezika, masomboly, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Eo ihany koa ny fikarohana eto an-toerana iarahana amin’ny Fofifa sy ny firenena hafa mpiara-miombon’antoka, toa ny Japoney amin’ny alalan’ny fandaharanasa Papriz sy ny Sinoa, izay mifantoka amin’ny fampiasana masomboly vary safiotra.

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261386354903

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Projet Sanbonai SANOI posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Projet Sanbonai SANOI:

Share