20/10/2026
💔 🇧🇷 NANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA HANOVA NY FIAINANY IZY, SAINGY FITAKA AVY AMIN’NY IA NO NIANDRY AZY!
Raiki-pitia tamin’ny vehivavy iray antsoina hoe Jéssica Oliveira, fantatra amin’ny anarana hoe « Jéssica Fazendeira », tao amin’ny tambajotra sosialy TikTok i Edimar Rocha Martins, lehilahy mpanao trano(maçon) 49 taona avy ao Imperatriz, any Maranhão, Brésil .
Nanana mpanaraka maherin’ny 300.000 ilay kaonty. Tao amin’ireo lahatsary navoakany dia nilaza i Jéssica fa vehivavy tokatena efa nisara-bady izy ka nitady vady hiara-hiaina aminy amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray sady nampanantena fa tsy voatery hiasa intsony ilay lehilahy ho vadiny.
Nino izany i Edimar, ka namidiny ny fananany rehetra mba hahafahany mandeha hihaona amin’ilay vehivavy.
Tamin’ny 9 Oktobra 2026, dia niainga tamin’ny fiara fitateram-bahoaka izy, nanao dia maherin’ny 36 ora nankany Belo Horizonte, toerana voalaza fa onenan’i Jéssica,2000 km miala amin'ny tànany.
Rehefa tonga tao izy ny 11 Oktobra, dia tsy nisy olona niandry na nandray azy. Nirenireny teny an-dalambe izy ary nitady fanampiana tamin’ny onjam-peo iray teo an-toerana. Tamin’izay no nahafantarany ny marina mampalahelo: tsy tena nisy i Jéssica, fa olona noforonin’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) fotsiny!
Tsy nanam-bola hiverenana any an-tanàny intsony i Edimar, ka nangataka fanampiana tamin’ny tompon’andraikitra tao Belo Horizonte. Nomena tapakila fiara fitateram-bahoaka izy, ka taorian’ny dia naharitra ora maro dia tafaverina tao Imperatriz tamin’ny 15 Oktobra 2026, ary lasa nipetraka miaraka amin’ny anabaviny.
Taorian’ity raharaha ity dia voafafa ilay kaonty TikTok nampiasain’ilay vehivavy virtoaly.
💔 Nandeha an’arivony kilometatra i Edimar noho ny fitiavana sy ny fanantenana, saingy niafara tamin’ny fahadisoam-panantenana.