Jean Roméo Sylvain

Jean Roméo Sylvain �Tsara Andriamanitra �

Marina ❤Vavaka Isan'andro
29/11/2021

Marina ❤
Vavaka Isan'andro

Mpivady nandeha nitsangatsangana teny tsimbazaza🐵. Nahita ireo ragidro🐒 mifandamour ilay ramatoa tsy nahandry fa niloabava hoe:"Hafakely kosa ilay fifankatiavany, manafosafo azy tsy ankijanona ilay lahy, mifamihina tsy misy fiafarany, miray isaky ny mihetsika,..."

Nifindra teo @ lambo🐗 indray, hoy indray ilay ramatoa:"Mitovy fa tsy sahala fotsiny ianao sy io lambo lahy io, jereo anie👀, ery @ 1 kilometatra ery izy no mitazana ny vadiny, tsy te hahalala mihintsy, tsy mba misy tambitamby, re safosafo izany dia nofy👎..."

Nisafoaka ilay rangahy nefa namaly am-pitoniana naka mora fotsiny hoe:"Andramo toraho vato dia ho hitanao ny tena fitiavany marina💜"

Notorahan'ilay ramatoa ny ragidro🦍🐵, nitsoaka hoatran'ny tain-kitana sahala @ tsy teo ilay lahin-gidro, navelany hihahaka irery teo ny vadiny fa izy nanavotra ny tenany samy irery.

Notorahan'ilay ramatoa indray ny lambo, nitroatra ny lahin-dambo nihazakazaka hanafika ny mpitoraka hiarovany ny vadiny.

Hoy ilay rangahy:"Tsy izay rehetra mamiratra hita miseho ety ivelany dia ho volamena💎 avokoa, ny fitiavana marina dia vokatry ny fo❤ fa tsy fihetsiketsehana fotsiny ety ivelany ihany."

26/11/2021

🇲🇬🤔« Din, maloto be foana ny lamban-dry zareo ! » (nindramina tamin i Toky Rajaona)

Hoy ity ramatoa tamin’ny vadiny, raha avy notazaniny avy eo am-baravarakely ny lamba miaha eo ampita…

« Mba ratsy sasa koa izy izany, mba vehivavy ohatran’izao ihany ! »

Tsy niteny moa ramose…

Isaky ny manaha lamba ry zareo eo ampita dia miverina foana ilay kihan-dramatoa !

« Din, voretra a !! Zao ve dia lamba nosasaina, tsy aleo tsy nanasa a, mba miseho milay ery nefa tsss !! »

Telo herinandro taty aoriana, tolagaga vao maraina ramatoa fa dia fotsy botsiaka ny lamban’dry zareo teo ampita !

« Ha ! Ela ny ela » hoy izy… tamin-dramose vadiny !
« Fahagagana, fa nahay nanasa lamba ihany ny farany ! Jereo nge fa zay vao mba nadio ny lamban-dry zareo e ! Ngamba nisy nampianatra… »

Namaly tsotra ramose vadiny.
« Tsy aritro intsony, fa naleoko nifoha vao maraina dia nodioviko daholo ny fitaratry ny varavarankelitsika… 😑 »

-

Toy izany ny fiainan’ny sasantsasany amintsika…

✅ Ny hitantsika eny amin’ny hafa dia miankina amin’ny hadion’ny fitaratry ny varavarakelintsika… miankina amin’ny fomba fijerintsika !

✅ Aza maika ny manakihana sy mitsara ny hafa indrindra raha rakotra fialonana sy fanambaniana ny fijerinao

✅ Ny fitsaranao ny hafa dia tsy mamaritra hoe iza izy, fa mamaritra hoe iza ianao…

———

Mirary soa dia zarao eo ambany anaty commentaires ny eritreritrao fa ho vakiako am-pitiavana !

©Toky Rajaona
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=471195937702730&id=100044369831684

17/11/2021

Miezaha miteny hoe
" Soa ihany "
Toy izay hoe
" Tahak'izay "
Jean Roméo Sylvain

06/11/2021

Lalao iarahana amin'ny 🍀☘️HOMEOPHARMA🍀☘️

👉Tsy miova ny fepetra fa ZARAO aloha ity PUBLICATION Ity 👇

👉Ary valio anaty fehezanteny tsotra nefa mazava ny fanontaniana :

Maro ireo zava-maniry na vokatra natoraly vokarin'ny Homeopharma azo ampiasaina entina miady amin'ny fahatavezana diso tafahoatra :
⁉Milazà vokatra miisa 3 ❓ omena safidy ihany ianao :

🌿Crème mahia
🌿Thé phyto minceur
🌿Sakafo matavy
🌿Gélules d'ananas
🌿Baume Geranium
🌿Gélules Spiruline
🌿Spiruline poudre

🍀Mirary soa☘

Mlay be enao 👍👊👊
14/10/2021

Mlay be enao 👍👊👊

Address

Antananarivo
TANA102

Telephone

+261344493515

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jean Roméo Sylvain posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Jean Roméo Sylvain:

Share

Category