Nomenjanahary rafidah officiel

Nomenjanahary rafidah officiel "Le personne vraies,n'ont pas beaucoup d'amie"

Érosions🌎🌎🌎
07/10/2022

Érosions🌎🌎🌎

07/10/2022
11/09/2022

FOMBA FANAOVANA MEDITATION

Ny atao hoe MÉDITATION dia fifandraisana amin'ny Hery Anaty. Tsy mitovy ny CONCENTRATION sy ny méditation. Ny concentration dia fiezahana mampifantoka ny saina. Izany hoe ny "saina" no akora fototra hiasana. Fa amin'ny méditation kosa, dia ny Hery Anaty, na ny fanahy no fohazina.

Raha ohatra ianao tena mbola tsy mahay Méditation dia mila mahay manavaka ny atao hoe:
IMAGINATION sy VISUALISATION, ny Mediation dia fiomanana, fa ny Visualisation efa action, tsy voatery vusialisation no atao anatin'ny meditation, fa betsaka toy ny fanalana stress, fanaovana voyage astral, fanaovana télépathie,....sns
Ka mila fantarina tsara hoe hanao meditation mba haninona?

Marihina tsara fa tsy misy resaka "miracles" mihitsy ny resaka méditation, fa fianarana tsotra hanananao izay rehetra ilaina ho afaka mamorona izay fiainana tinao. Raha manantena zany ianao hoe hanao méditation dia ahavita miracles dia hanan-karena tampoka, dia tsara aminao tsy mandany andro mamaky an'izay soratana eto. Fa raha mahatsapa kosa ianao hoe mila manana fahatoniam-piainana sy firindrana, fahazavam-panahy, fahazavan-tsaina ary Hery anaty ampy mba afahanao mandroso eo amin'ny fiainana, dia tena natao ho anao ny fampianarana.

Ny antony anaovanao méditation dia hanananao firindrana amin'ny lafiny rehetra: ara-pahasalamana, ara-pihetsem-po, ara-pitiavana...sns
Tsy afaka hivelatra mihitsy ianao raha tsy eo io firindrana io. Diniho kely fa alaelo/tahotra/ hatezerana kely tsy voafehy indray mandeha, na tsy fahasalamana indray mandeha dia ampy mahapotika ny zavatra natsanganao nandritra ny taona maro. Noho izany dia tena zava-dehibe ny firindrana. Ary zavatra tsy kisendrasendra io fa tena mila omanina sy ianarana. Mila fantatra hoe mitombo izy izany na tsia.

NY méditation dia fampanginana ny EGO mba ahafahanao mifandray amin’ny TENA MAHA IANAO ANAO (Fanahinao) sy mifandray amin'ireo (Andriamanitra, ny Anjely, maîtres ascensioné, extraterrestres, guide spirituel sns… ) ary mba ahafahanao manao experience isan-karazany: miova dimension 4 et 5 ème, manasitrana, manao voyage astrale, manao voyage dans le temps, miditra @ vatan’olon-kafa, rêve lucide, manao reparation ny ADN-nao, manavao cellules, manao zavatra maro isan-karazany tsy voatanisa….

Mila salama ara-batana, sy ara-tsaina, mila matotra tsara, manaova madio tsara, mihinana sakafo ara-pahasalamana, ahenao ny fihinana hena.

🔴FAMPIHARANA

1-Maka toerana mangina tsisy mpanelingelina, ny tsara dia alohan'ny atory na vao mifoha ny fanaovana azy. Esory sy vonoy daholo izay manelingelina, radio, télé, finday...sns

2-Misafidiana position izay mety aminao na mipetraka na matory, izay maha à l'aise anao. Raha mipetraka ianao na manao position lotus dia ataovy mahitsy tsara ny lamosina, afaka miankina ihany koa fa tsy olana.

3-Rehefa relaxé tanteraka ary tony tsara ianao dia akipio ny maso, ataovy tena mahazo aina tanteraka mihitsy ny vatanao, manontolo, ny ozatra rehetra...sns

4- Eto amin'zay ny resaka respiration no tena miasa: mifoka rivotra faran'izay
takatrao ianao (inspiration profonde) ary ataovy mibotsina tsara ny kibo
idiran'ilay rivotra... alaivo sary an-tsaina hoe toy ny hazavana miditra amin'ny oronao ilay rivotra, mandalo ny tenda ka hatrany anatin'ny avokavoka, ary mandritrin'io fotoana io dia ataovy sary an-tsaina hoe nitondra energy positive hoanao ireo
rivotra rehetra fohinao ireo.

5- Tazomy mandritra ny 5 secondes ny rivotra aloha fa mbola tsy avoaka
(5-4-3-2-1) dia avoaka moramora amin'ny vava na @ orona ary avoaka faran'izay
takatrao ihany koa (Expiration profonde). Eritrereto hoe izay rehetra ratsy ao
anatinao ao dia mivoaka miaraka amin'io rivotra avoakanao io.

6- Mamelà @ fo madio izay rehetra manana ady aminao na koa anananao
lolo-po, hevero fa ny Fanahy izay ao anatin'iny olona iny sy ny anao dia mitovy
tsy misy hafa ary mikatsaka ny hahasoa anao hatrany SAINGY ny ego no
nahatonga azy na ianao handratra olona. Miezaha mamela azy 100% raha azo
atao mba hananao energie bebe kokoa ka hidiran'ny soa aminao.

7- Mety hiaha mavesatra ny vatanao fa aza raharahiana aloha, mifantoha
hatrany amin'ny RESPIRATION ary mety ho henonao fa hidobodoboka mafy be
ny fonao apres 15 min manao an'ireo etapes voalaza eo ambony ireo. Mety
hatahotra ianao mandritrin'io fotoana io satria tsy tian'ny EGO-nao ny hangina
ka tsy hi-controle anao. AZA MATAHOTRA MIHITSY fa miverena amin’ny
respiration haingana fa tsy misy tokony hatahoranao satria mamoaka cellules
vaovao ho anao ny fonao ary manao reparation ny cellules ao amin'ny vatanao ihany koa izy.

8- Rehefa vita izay rehetra izay, dia mifantoka amin'ny respiration indray
mandeha ianao, manao sary an-tsaina ny tenanao hoe sambatra indrindra
amin'ireo izay anananao ary tsy misy olona afaka ny hampalahelo anao raha
tsy nahazo alalana avy aminao, tsy misy ratsy hahazo anao fa efa voaaro ianao
ary efa madio ny ao anatin'ny fonao ao.

9- Eo @ 20-30 Minutes no anaovanao an'io ny simple meditation ary ezaho atao
isan'andro alohan'ny hatory sy hifoha maraina raha mbola mazoto ny
atoandro dia vao maika tsara.

MEDITATION = CONCENTRATION + IMMAGINATION

Mba hizarana maka Concentration dia mizara miaina ny ETO sy IZAO (ICI et
MAINTENANT), izany hoe rehefa mianatra dia mianatra fa aza mieritreritra zavatra hafa afatsy ny fianarana, na mihira dia mihira fa aza mieritreritra zavatra hafa afatsy ny mihira...sns

Rehefa zatra mifantoka dia mora aminao ny maka CONCENTRATION rehefa hanao méditation.
Mba hahazarana maka immagination dia miezaha hatrany mieritreritra zavatra tokana.
Ohatra : vato, hazo, labozia,...), izany hoe fafana daholo ny zavatra rehetra mandalo ao anaty saina fa dia izay safidinao tokana no eritreretinao. Amin'ny voalohany dia sarotra be satria ny EGO
dia mandefa sary tianao rehetra saingy rehefa tsy ekenao dia hangina izy.

Hatreo aloha fa ezahantsika alefa tsikelikely ireo technique fanaovana médiation ary tsy misy maika mihitsy kanefa raha maha voafehy tsara an'ireo dia efa zava-dehibe sy mahafinaritra.
Mino aho fa afaka hiaraka hanao méditation iraisina fona amin'izay isika ato @ FHMM.

Mirary soa e! Mitomboa Hasina! Mamiràta dia mihazavà, mitomboa Hazavana daholo🤚✨

11/09/2022

Androany no misokatra ny vavahady lehibe 09/09/2022, anio ny fisokafan'ny vavahadin-kintana (Portail stellaire) 9/9 izay manokatra ny fon'ny rehetra mba handraisana ny kaodin'ny Hazavana, ny fifohazana ary ny fahatsiarovan-tena. kaody masina (code sacrée) manerana ny Planeta. Satria misy activation goavana manamarika ny fahataperan'ny fréquences tahotra (peur)
manerana ny olombelona ary mba hivibre ao anatin'ny firindran'ny hazavana sy fitiavana ary fahafahana.

Andro miavaka hanehoana faniriana,
fahagagana, nofy, fitahiana ary
hifandraisana amin'ny fitiavana
madio indrindra amin'ny maha ianao
anao mba hampitambatra antsika
rehetra ho amin'ny tena zava-panahy.

Ny 9 dia isa masina fifandraisan'ny zavatra rehetra. Isan'ny fiafarana sy fiatombohana ary mampiseo ny fifandraisana @ Andriamanitra.

Ny Fréquence 999Hz dia vibration ao @ 5 Dimension. Ny 999Hz dia fréquence des Anges na fréquence fifandraisana @ anjely, ny 999Hz ihany koa dia activation du corps de lumière.

Noho izany amin'ity anio ity no andro nosafidiantsika sy natokantsika hi-activena ny kaodin'ny FFHM manokana raha toa ka nanokatra isika ny 08/08

Misy ny dingana 03 arahina amin'ity volana ity dia anio, 09 le 18, le 27

Andro nosafidiana hanaovana code activation d'énergie sy fanokafana fréquence ny Logo ary handraisana sy hanambrantsika ihany koa ny vibration afahantsika miasa @ fahazavana mifandray tanteraka ary misokatra @ ara-panahy sy ny herin'ny Hazavana rehetra.

Ho an'ny mpiadin'ny Hazavana (guerrier de lumière) sy ny mpiasan'ny Hazavana (travailleurs de lumière) ary izay ao @ Firaisamben'ny Hazavana rehetra.

Mba afahantsika mandray sy manamafy ary manambatra izany vibration izany dia tononintsika amin'ny herin'ny Hazavana ireto kaody masina ireto.

Alohan'ny hanombohana dia misintoma rivotra faran'izay takatrao @ orona indray mandeha dia aveo tonony ny kaody.

Kaody: 9 -369 -369 -369

Avereno in-3 io kaody io dia ny 1 farany apetrao eo fo ny ny sary Logo dia tonony ny kaody

Rehefa vita dia mamoha rivotra faran'izay takatrao @ vava indray mandeha dia vita%

Noho izany, ity varavarana ity dia
mampiseho ny farany sy ny
fiantombohana, varavarana izay tonga
hamoaka ny heriny rehetra
hahazoana kaody fahazavana
vaovao ho amin'ny fifohazana sy
fisandratana ny ahavon'ny
fahatsiarovan-tena, manampy
antsika amin'ny fanatontosana ny
fandrosoantsika ara-panahy.

Fotoana fikatonana ity, famaranana
ny taloha. Fotoana izao
hamelana ny lasa ary hifantohana
amin'ny ankehitriny, mamela ny
feonao ao anatinao haneho ny
fahamarinana ary ny Fahazavanao
tsy manam-paharoa hamiratra
mazava.

Akatony ny lasa, avelao izay tsy
manampy anao intsony, avotsory
izay mamatotra anao, ary mikoriana
amin'ny fiantombohana vaovao.
Mahatsapa ny fifalian'ny fihovana,
mifanaraka amin'ny fikasanao sy ny
fikasan'ny fonao.

Androany ianao no mamorona ny ho
avy, amin'izao ankehitriny izao,
amin'izao fotoana izao. Hiaino ny
fotoana rehetra, fantaro fa ny
eritreritra rehetra dia miteraka
fihetseham-po izay hametraka anao
ao anatinilay vibration izay hisintona
izay irinao.

Koa atsaharo ny tahotra, ary
mifantoha amin'ny fitiavana; izay ao
amin'ny nofinao, ao amin'ny
fanirianao, ny fahasambaranao.

Aza avela ho sahiran-tsaina ny fonao
amin'izay zavatra mitranga any
ivelany, amin'izay tsy azonao
fehezina. Ny zava-misy dia ny
zavatra noforoninao miaraka
amin'ny eritreritrao, ny fihetseham-
ponao ary ny hetsika.

Androany ny fotoana famelana,
fanidina, famaranana. Fotoana izao
hiomanana hanombohana,
handehanana ny dingana ary
hanarahana ny feon'ny fanahinao.

"Ho amin'ny Tontolo tsara kokoa"

"Iray ihany isika rehetra"

Mandresy ny Hazavana✨
Mahery ny Hazavana 💖🙏

Address

Vangaindrano

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nomenjanahary rafidah officiel posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category