22/02/2024
IZA?
Iza no afaka handre
Izany feo manakoako
N'ireo kamboty maro be
Eny ambony dabapako?
Iza no afaka hiteny
Sy hijoro hamalifaly
Irony ankizy mitady irery
Hita fa tsizarizary?
Iza no afaka hanampy
Ireo zanatsika Kely
Izay miady sy miafy
Eny amoron-dalana eny?
Iza no afaka hijery
Ireo ankizy izay maratra
Ka sahy mijoro mampahery
Fa tsy handrora na handatsa?
Ka ho antsika izay manana
Sahia manetri-tena
Fa izy ireny indray andro any
No hitondra firenena
Ka ho faly sy ho ravo
Ireo fo izay nahonena
✍🏻 Mïkåh Steven
📸 ©Mariano Ralls