La Divine

La Divine Tia mihira Tia mozika
Auteur & Compositeur
Abonnez -vous 🙏 Auteur et compositeur

01/06/2026

Tena hoe hafa mintsy wa Neny😍
Na de efa fetiny aza de izy fona no tsy maintsy mikarakara ao😁☺❤❤
Mamy kely🤗

31/05/2026

Hiranay mamy kely atolotray hoan'ny Neny rehetra🥰🥹
Samy ho tahin'Andriamanitra daholy ny reny rehetra de ho ho ela velona sy ho lava Andro iainana🥳😘

Karazana STYLE   Vocale😍🎙🎤 1. Voix claire (feo mazava)Feo madio, tsy miovaova beMatetika ampiasaina amin’ny hira malefak...
28/03/2026

Karazana STYLE Vocale😍🎙

🎤 1. Voix claire (feo mazava)
Feo madio, tsy miovaova be
Matetika ampiasaina amin’ny hira malefaka na romantique
👉 Oh: hira slow, gospel

🎶 2. Voix rauque (feo somary marokoroko)
Feo misy “grain”, somary mikitroka
Manome feeling mafy sy lalina
👉 Matetika amin’ny rock na blues

🎼 3. Voix douce (feo malefaka)
Feo tony, mora henona
Mampitony saina
👉 Hira love na berceuse

🔥 4. Voix puissante (feo matanjaka)
Feo avo sy be hery
Mety amin’ny hira lehibe (power songs)
👉 Gospel, pop lehibe

🎧 5. Voix nasale (feo avy amin’ny orona kely)
Feo misy tsiro “nasal”
Indraindray manome style miavaka

🎵 6. Falsetto
Feo avo be, toa manify
Ampiasaina rehefa miakatra note avo
👉 Oh: mpihira R&B, pop

🎙️ 7. Belting
Fihirana mafy sy avo, tena misy puissance
Matetika amin’ny refrain lehibe

🎤 8. Rap / spoken style
Tsy dia mihira loatra fa miteny amin’ny rythme 👉 Hip-hop

🎶 9. Vibrato
Feo mihozongozona kely rehefa mitazona note
Manampy “feeling” sy hatsarana

👉 Zava-dehibe: Ny mpihira iray dia afaka mampifangaro style maro (oh: voix douce + vibrato + falsetto).

(Jereo sody misy ny stylan'ny feonao😉)

26/03/2026

Coucou🥹👋
Tena efa ela be tsika tsy nihaona ka noh izany de anolotra cover mamy kely hoanareo ndray izahay😘🥰
Ho fifankaherezantsika😊
"Zay angatahiko"
jacqueline

23/03/2026

mba mangataka réaction 🥺❤️🙏

Ohabolana 18:22😍“Izay mahazo vady dia mahazo zava-tsoa ary mahazo fitia avy amin’i Jehovah.”Arabaina nareo roa kely❤Mira...
31/12/2025

Ohabolana 18:22😍
“Izay mahazo vady dia mahazo zava-tsoa ary mahazo fitia avy amin’i Jehovah.”
Arabaina nareo roa kely❤
Mirary tokan-trano sambatra ho anareo ry Tsiory Rän Sy Fanir'iantsu Hasnah 😘
Ho tahin'Andriamanitra anê ianareo roa😊

tsy ho ela de hoavy indray ny vokatra manaraka f'aza miala eto 🥺💖Tsy voaresak mints dada🥺Nefa iz ku aza no tena mamy kl💝...
15/12/2025

tsy ho ela de hoavy indray ny vokatra manaraka f'aza miala eto 🥺💖
Tsy voaresak mints dada🥺
Nefa iz ku aza no tena mamy kl💝🥳

12/12/2025

Mba asivo réaction 🥺🙏😘

VI****OR Ny vi****or  dia fampihozongozonana malefaka sy haingam-pandeha kely eo amin’ny feo. Izy io no mahatonga ny feo...
09/12/2025

VI****OR
Ny vi****or dia fampihozongozonana malefaka sy haingam-pandeha kely eo amin’ny feo. Izy io no mahatonga ny feo hihainoana ho miakatra midina, haingana, tsy mikopakopaka mafy fa miboiboika moramora.
✔ Inona no asany?
Manome hakantony ny feo
Manampy ny hira ho velona sy manintona
Manampy amin’ny fanamafisana ny fihetseham-po ao amin’ny hira
Manampy hifehy tsara ny tension vocale (fihenjanan’ny lalan-kira)

✔ Ahoana no iasany?
Ny feo dia mivoaka amin’ny toerana iray stable, avy eo mihetsiketsika kely ny feo na dia mijanona amin’ny note iray aza. Tsy mikorontana izany fa fikoropahana voafehy.

Ny vi****or amin’ny hira dia teknika manatsara ny hatsaran’ny feo, manampy fihetseham-po, ary manome professionalisme amin’ny fifehezana ny note. Tsy feo mikorontana izy io fa fampihozongozonana voafehy, izay manampy ny mpihira hamoaka feo marefo, mamy ary manintona kokoa.

🎧 Écoute (Mihaino)➤ Inona atao hoe ÉCOUTE ?Ny Écoute dia fahaizana mihaino sy mandray feo avy amin’ny hafa rehefa mihira...
08/12/2025

🎧 Écoute (Mihaino)

➤ Inona atao hoe ÉCOUTE ?

Ny Écoute dia fahaizana mihaino sy mandray feo avy amin’ny hafa rehefa mihira miaraka.
Tsy ampy ny feo tsara irery,
fa mila mahay mandanjalanja sy mifanaraka amin’ny hafa.

➤ Antony maha-zava-dehibe azy

Raha tsy mihaino ny hafa,
dia mety ho diso gadona na diso haavon’ny feo.
Ny fihirana miaraka dia mitaky fifampihainoana mba ho mirindra sy tsy hifandona.

➤ Fomba fanao

Mihaino ny hafa 👂:
Aza manamafy feo raha mahatsikaritra fa misy hafa mihira malefaka.
Mifandanja amin’ny volume 🔊:
Raha mahery ny hafa,
dia ampio feo; raha malefaka,
dia ahena.Mihaino gadona 🥁:
Tsy maintsy mitovy ny fotoana fidirana sy ny fiafarana.
Mihaino fifangaroan’ny feo 🎶
Henoy ny fitambaran’ny feo,
tsy ny anao irery.

➤ Fanazaran-tena

Exercice 1: Mizarà ho vondrona roa.
Ny iray mihira do ré mi fa, ny iray sol la si do.
Henoy ny fifangaroan’ny feo.
Exercice 2:
Mihira amin’ny feo malefaka, dia ampitomboina tsikelikely. Henoy ny fifandanjan’ny volume. 💝
Nalaina tao @👉(cour de chant)

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when La Divine posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category