30/07/2025
📷 AHOANA NO AHAZOANA SARY TSARA ?
Matetika isika mihevitra hoe ny atsaran'ny appareil photo no mahatonga ny sary tsara foana, na hoe ny photographe no mahay.
Eny, ekena fa marina izany ✔️ Fa ireto misy lafiny vitsivitsy anefa tsy maintsy apetraka tsara mba ho azo antoka fa ho tsara ny sary azonao na tsy dia tsara ary ny appareil photo ary na tsy tena mahay be ary ny photographe 💁
1️⃣ Ny lumière :
Ity no tena zava-dehibe indrindra satria tsy afaka ny hahazo sary tsara mihitsy isika raha tsy misy hazavana. Tsy hoe rehefa misy hazavana fotsiny dia mety , fa mila hazavana ampy tsara sy mety tsara.
2️⃣ Ny composition :
Faharoa dia ny fahaizana mandrafitra ilay sary hoe inona ny fitsipika arahana. Ohatra hoe : règle des tiers, lignes directrices, symétries et motifs, cadrage, espace négatif. Mila hay tsara hoe ahoana ny mampiasa an'ireo sy rahoviana mba ahakanto ilay sary rehefa avy eo.
3️⃣ Mise au point na focus :
Izany hoe aiza no tokony ho " Flou " sy "Nette". Mila mahay mampiasa tsara ny profondeur de champs izany ny mpakasary. Rehefa inona no figena ny sary iray dia raovina no fanahinana asina flou de mouvement kely.
4️⃣ Réglage de l'appareil :
Fahaizana mampiasa tsara ny réglage ny appareil. Mila fahaizana ny mampiasa ny triangle d'exposition "ouverture, vitesse, iso". Tsara ho fantatra koa ny limite ny iso tsara ampiasaina rehefa faible luminosité hoe firy ISO ny sary no lasa misy bruit. Tsy adino ihany koa ny fahaizana manao ny balance des blancs.
5️⃣ Matériel :
Mila manana objectif tsara ohatra hoe objectif fixe lumineux na zoom arakaraky ny zavatra tianao alaina sary. Tsara foana koa ny mampiasa appareil récent raha manana. Mila mampiasa trépied koa raha ilaina izany ary flash anampy ny hazavana.
6️⃣ Post-production :
Ity no étape farany raha ohatra ka efa feno ny fepetra rehetra nefa mbola tsy afapo amin'ny sary ihany enao 💁 Manadio sy manatsara ny loko fotsiny sisa no atao dia vita ny chocolat.
✅ Fehiny :
Raha te hahazo sary tsara ary ianao dia tsy voatery hoe mila maka mpakasary lafo be foana fa ataovy mazava tsara daholo fotsiny ny toerana anaovana ny fety ary ataovy milamina tsara ny decoration sy ny couleur mba hiady tsara. Dia raha afaka maka mpakasary mahay tsara moa ianao vao maika tsara ny vokatra avy eo 🔥
📅 Raha toa ka mbola tsy nahita photographe ianareo dia izay eto amin'ny LAYSAR dia mbola afaka miara miasa sy mandray réservation.
Mankasitraka indrindra tompoko ✨