31/01/2023
HITA TANY HO ANY.
Gadra iray voaheloka ho faty izay eo am-piandrasana ny famonoana azy, no nangataka penina sy taratasy mba ho solon'ny voady farany nasaina nataony.
Rehefa nanoratra teo izy nandritra ny minitra maromaro Dia nangatakata ny hiantsoana Ilay Mpiandry Fonja, ka niangaviany ity farany mba hanome Ilay taratasy nosoratany hoan'ilay Reny niteraka azy.
Toy izao no vakin'ilay taratasy :
Neny, raha nisy fitsaràna sy fahamarinana bebe kokoa teto an-tany, dia Roa isika no hovonoina ho faty fa tsy izaho irery. Meloka ihany koa ianao tamin'ny fiainana izay niainako hatrizay.
Tadidinao ve ilay izaho nangalatra ny bisikiletan'ilay ankizilahikely nitovy tamiko ka nentiko tao an-trano ilay bisikileta?
Nanampy ahy ianao nanafina azy mba tsy ho hitan'i Dada.
Tadidinao ve iny fotoana izay nangalarako ny volan'ny mpifanila vodirindrina amintsika iny?
Niaraka tamiko tany an-tsena ianao ary niarahantsika nandany ilay vola.
Tsaroanao ve ilay izaho sy Dada nifamaly ka lasa izy avy EO? Te hananatra sy hanitsy ahy izy tamin'ireny satria nangalariko Ilay valim-panadinana farany ka nahavoaroaka ahy.
Neny, Mbola zaza Aho tamin'ireny. Fotoana vitsy taty aoriana dia lasa adolatsento izay nikorontana tanteraka. Ary ankehitriny dia Tonga lehilahy. Lehilahy tsy nahomby tamin'ny fiainana satria ratsy taiza fony mbola Zaza.
Neny, Mbola Zaza nila fanitsiana Aho tamin'ireny fa tsy fankatoavana. Kanefa mamela anao Aho!
Satriko ary tiako anefa raha mba tsapan'ireo Ray aman-dReny marobe maneran-tany ity taratasy ity,
mba ahalalàny fa ny mahatonga ny olona iray ho tsara na ratsy... Dia ny FANABEAZANA
Misaotra anao aho Neny nanome ahy ny fiainana, ary misaotra ihany koa nanampy ahy hanary azy sahady!
Ilay zanakao maditra.
👉 FAMPIERITRERETANA
"Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, fa izay tia zanaka dia tsy misalasala manitsy azy." (Ohabolana 13:24)
"Ny FANABEAZANA no fitaovam-piadiana matanjaka indrindra azonareo ampiasaina hanovàna izao tontolo izao." (Nelson Mandela)